Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany dia nahazo ny fanomezana Fanahy Masina rehefa nitandrina ny tenin'i Kristy. (Asa 1 sy 2). 120 monja no isan'ireo nanolotena sy nitandrina izany. Noho ny fiasan'ny herin'Andriamanitra dia 3000 no nanampy isa ireo voaloham-bokatra tamin'io andro Pentekosta io ihany. Jehovah dia miasa foana amin'ireny andro firavoravoana voatendriny ireny. Ny Didy Folo ohatra dia nomen'Andriamanitra ny zanak'Isiraely tamin'ny andro faha-50. Fantaro ny fomba izany. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.