Ny andro fanavotana dia ilay andro firavoravoana fahadimy voatendrin'i Jehovah ho fitsaharana sy fivoriana masina. Io no andro firavoravoana notendren'i Jehovah hitsaharana, hanaovana fivoriana masina sy hanaovana fifadian-kanina, mba ho tena iray amin'Andriamanitra isika. Maneho koa ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy ho antsika teo amin'ny hazofijaliana, ary ny fanesorana an'i Satana mba tsy hahafahany mamitaka ny olona intsony rehefa tonga eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.