Listen

Description

Mbola tohin'ny LIVE nataoko tamin'ny heirnandro lasa ihany ny fikirakirana ny siansa hanimbana ny siansa. Ary ao anatin'izany dia miana-kendry raha olombelona mikitika ny tsy fikitika.

Anisan'izany ny "GEO INGENERIE"fa miseho te hanentsina ny "Couche d'ozone" simba hono nefa akora simika no ampiasaina hanaovana izany izay tsy maintsy miteraka fiantraikany loza be aloha, vao afaka antenaina hanentsina izany. Ary tsy mbola hay sy fantatra aza na ho mahomby na tsia hoy ny siantifika.

Vokany dia lasa misy "Modification géographique" sy "modification biologique".

Santionany ihany ireo fa ny tena ambadika dia fitahana indray ny olona fa ho soa iombonana e dia efiana kely aloha izay mety ho vokadratsy monjimaika hoy izy ireo fa mijery ny lavitr'ezaka. Izay no amidiny amin'ny ra olombelona. Fa ny tena fikendrena ambadika dia tsy misy afa tsy ny resaka TOMBOTSOA n'ireo matanjaka hatrany.