Listen

Description

Mivaraontsana mafy ery isika rehefa mahita irony sary zarain'ny olona ato @ facebook manoloana ireo trano fiangonana namidy ka tonga lasa trano fandraisam-bahiny, na tranom-boky, trano fivarotana lehibe ary misy aza lasa toeram-pandihizana mihitsy.

Tsy tongatonga ho azy @ izao ireny fa efa izay no vokatra tazan'ny maso. Fa tao ambadik'ireny dia efa nisy asa misoko mangina nataon'ireo hetsiky ny laika "anti-cléricale" izay miha mahazo vahana eo anivon'ny fiaraha monina. Ny paik'ady nampiasain'izy ireo nahatongavana ho @ zany vokatra izany, dia ireo zavatra roa lehibe hobanjinintsika mandritra ny LIVE ho @ zoma izao: dia ny SECULARISATION ary ny DESACRALISATION.